<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>196</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Rainay ao an-danitra ô,
 Izay mendrika hoderaina,
 Mahery sy be indrafo,
 Tsy takatry ny saina,
 Izahay dia tonga zanakao,
 Ka faly manana Anao :
 Mihoby sy miravo.

[V2]
 Izahay miondrika Aminao,
 Midera Anao tokoa,
 Fa be ny fitiavanao,
 Ry Ray mpanisy soa ;
 Anao izao rehetra izao,
 Ho vitanao izay tianao,
 Andriananahary.

[V3]
 Ry Jeso Kristy Tomponay
 Mpanjaka manan-kery,
 Izay any ankavanan-dRay,
 Mpanavotra ny very,
 He, any no ifonanao
 Ho an'izay navotanao,
 Fa resinao ny ota.

[V4]
 Ny ranao no nalatsakao,
 Fanati-tsaro-bidy !
 Ny ainao ho atohanao
 Ny olonao mpiady.
 Na atý na ao an-danitra
 Jesosy Kristy tokana
 Ho avotra sy vonjy.

[V5]
 Ry Mpampianatra mahay
 Fanahy Mpanazava,
 Ampianaro izahay
 Handroso lalandava,
 Tariho ny fanahinay,
 Honenanay rahatrizay
 Arý an-danitra Amen !</lyrics>
<title>Ry Rainay ao an-danitra o FFPM196</title>
<author>Nic. Decius</author>
</song>